Ratsy ny làlana ao Anosivelo Farafangana
21 Desambra, 07h30. Isany fokontany mamokatra ho famatsiana ny renivohitra ny fokontany Anosivelo Distrikan’i Farafangana. Mampanao sarotra izany asa izany nefa tsy haratsian-dàlana. An-taonany maro no tsy nasiam-panamboarana ny làlana mankao amin’ny fokontany. Fota-mandrevo sy ranom-potaka no hitsahin’ireo mpandeha indrindra amin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra, lavadavaka kosa no mandrakotra izany rehefa main’andro izay miteraka fahasahiranan’ireo bajaj sy posiposy. Miantso ireo tompon’andraikitra ireo mponina ao an-toerana hijery ifotony izany.
