Dépêches

Fifamoivoizana : Hitrangana lozam-pifamoivoizana matetika ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka

Dépêche 09 novembre, 12h, Matetika loatra ny fisehoana lozam-pifamoivoziana eny amin’ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka hivoaka ho any Andranotapahina iny. Miisa 8 ireo fiara efa tratran’ny loza teo, misy ireo mifandona, misy mivdika, misy midona amin’ny « balise » ary ireo izay moto mandalo dia mianjera avokoa. Raha ny fitantaran’ireo mpamily dia malama loatra ilay lalana noho ny rotsak’orana noho izy ity vao amboarina. Mila jerena akaiky sy malaky ny toe-javatra tahaka izao mba tsy hitaran’ny loza indray. Ny mpampiasa lalana ihany koa anefa tokony handeha miadana hatrany rehefa avy ny orana hisorohana ny loza tahaka izao.

Laisser un commentaire