Ambohimangakely –Ankizy vavy 11 taona no maty voadonan’ny Camion
Avy nianatra ity ankizy vavy ity no maty voadonan’ny Camion teo am-piampitana arabe teny amin’ny holcim Ambohimangakely omaly hariva. Mpianatry ny FJKM izy, kilasy faha-6 ary vavy tokan’ny Ray aman-dreniny. Avy nianatra ary andeha hamonjy fodiana eny Betafo izy no izao tra-doza ka maty izao.
