Islande : Mbola mitohy ny fipoahan’ny volkano
Tao anatin’ny iray volana izao, mbola ao anatin’ny fifohazany tanteraka ny volkano iray ao Islande. Na dia tsy amin’ny fipoahany mahery intsony aza izany amin’izao fotoana, dia tsy mbola voafaritr’ireo manam-pahaizana hatreto ny mety ho fe-potoana hitonian’izany tanteraka. Ny 16 martsa no nanomboka nipoaka ity volkano ity, izay ao amin’ny tendrombohitra Reykjanes, ary hatramin’izao tsy mbola nitsahatra izany.
