Avaradrano : Mandritra ny 100 andro ny fanaovam-baksiny eny amin’ny CSBII rehetra
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Ankadikely Ilafy afak’omaly ny fanentanana indray ny fanaovam-baksiny covid-19 eto Avaradrano. Haharitra 100 andro ity hetsika ity, izay hanentanana ny rehetra tsy mbola nanatanteraka izany.
« Ny fahatsapana fa miakatra indray ny tahan’ny olona ahitana trangan’aretina covid-19 ary ho fanohizana ny ezaka amin’ny fanentanana ny fanaovam-baksiny miady amin’izany no anton’izao hetsika izao. Mbola tsy foana eto amintsika ity aretina ity. Tsara raha manao vaksiny ho fiarovana amin’izany mba hanampy ny hery fiarovana » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. « Ny vaksiny Pfizer sy Janssen no hatsindrona ireo mpisitraka. Hasaina ianao izay vonona sy ianareo hamerina anao ny fatra faharoa fa raisina an-tanan-droa eny amin’ireo CSB II rehetra. Hatreto dia ny vaksiny no anisany miaro sy manampy betsaka antsika amin’ny fanoherana ny valan’aretina Covid-19 » hoy ny tompon’andraikitra avy eto Avaradrano.
Safidy fa tsy terena ny fanaovam-baksiny. Tompon’andraikitra amin’ny fahasalamany ny rehetra. Tsy misy atahorana kosa anefa ny fanaovam-baksiny.
Nicole Rafalimananjara
