ActualitésTsidika

Anjeva:  Nahazo fampitaovana ny poste avancé an’ny zandary

 Tonga tao amin’ny poste avancé an’ny zandarimaria Anjeva gara, tamin’ity herinandro ity ireo solotena avy amin’ny orinasa mpanodina hoditra ao an-toerana nanolotra fitaovana raitra, imprimante, ho an’ny zandary ao an-toerana.

« Hisaorana ny mpanome dia ny OIM export, Tanerie d’Anjeva gara. Itony fitaovana itony moa dia entina hanatsarana hatrany ny fomba fiasa sy ny asa ety anivon’ny biraon’ny zandary. Hanavaozana ihany koa ny tolotra omena ny mpanjifa ankoatra ny resaka fampandriana fahalemana ny tanàna » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Zava-dehibe ary ilaina ho fampivoarana ny sehatra tahaka izao ny fampitaovana ara-materialy toy izao. Anisan’ny olana miseho matetika ny tsy fahampian’ny fitaovana na ny fampiasana fitaovana tranainy eny amin’ny birao eny ka hampitombo traikefa ny mpampiasa azy ihany koa izany » hoy i Fidy, mpahay fiaraha-monina.

Tonga nanontrona izany ihany koa moa ny ben’ny tanàna sy ny sefo fokontany tao an-toerana.

Laisser un commentaire