France : Lehilahy 54 taona nanatsatoka antsy ny namany rehefa niaraka nisotro taminy
Nivadika ny rasa teo amin’ireo roa lahy mpinamana ireto. Tao Porchinet, Loire-Atlantique, France, lehilahy iray 54 taona no nanatsatoka antsy ny namany, rehefa niaraka nisotrosotro izy ireo ny harivan’ny sabotsy teo. Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity ary arahi-maso ao amin’ny fitsarana any an-toerana noho ny fiampangana azy ho nanao herisetra sy fampiasana fitaovam-piadiana tao anaty fahamamoana. 34 taona ity namany notsatohany antsy ity ary tao an-tranon’ity namany ity ihany no nanaovany izany famonoana izany. Taorian’ny tranga dia nentina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany nanavotana ny ainy.
