Alasora : Azon’ny rehetra tsidihina ny toerana mahafinaritra ao amin’ny Kaominina
Efa vita tanteraka ankehitriny ny ravaka tanàna eo amin’ny Kaominina Alasora, izay tena manome endrika tsara ny kaominina, indrindra rehefa amin’ny alina hirehetan’ireo jiro kely.Azon’ny rehetra tsidihina ity toerana mahafinaritra eto amin’ny Kaominina Alasora ity satria natao ho an’ny rehetra mihitsy izany. « Tongava mijery ny fandravahana ny kaominina Alasora fa sady tena mahafinaritra no manome fahafinaretana ny maso izany » hoy ny avy eo amin’ny kaominina. « Tena mahafinaritra sy mahavelom-bolo ny mandalo eto isaky ny hariva ary manome fanantenana izany ka irariana hiparitaka amin’ny kaominina maro mihitsy ity » hoy i Yves, mponina ao Alasora. »Rehefa milamina ny manodidina ny tena dia milamina ho azy ny tena. Na ny saina aza afaka misaina ara-dalàna sy am-pilaminana ka ho mora ny handroso » hoy i Cedric, manam-pahaizana mikasika ny saina. Mahavelom-panantenana tokoa ny mahita ity fandravahana natao ny kaominina Alasora ity. Ho avy tokoa ny fety ary hirariana hitondra fiovana tsara ho an’ny tsirairay izany. Tsara tokoa raha samy mandravaka ny tranony avy isika mba hanomezana fahafinaretana ny saina fotisny ihany ka hazoto hiatrika ny taona vaovao indray.
Nicole Rafalimananjara
