ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Miomankomana ny fanatanterahana ny D-full Party 2023

Manomankomana ny fankalazana ny D-full Party 2023, ao Ambohimanambola amin’izao fotoana izao. Ny fankalazana ity fety lehibe mandritra ny paska ity izay efa ela niandrasan’ny mpanaraka sy ireo mpankafia, rehefa nihato nandritra ny taona vitsy teo izao, vokatry ny valan’aretina teto amin’ny firenena.

« Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny fankalazana ny D-full Party 10 amin’izao fotoana izao. Tahaka ireo nahafantarana ny D-full hatramin’izay, misy ny fety, misy ny kilalao maro isan-karazany entina manamarika ity andiany ity ary tsy hadinoana ny hira sy ny lanonana hiarahana amin’ny mpanentana sy mpanakanto malaza amin’izao fotoana » hoy ireo mpikarakara.

« Hifampitaona eny amin’ny Batou beach indray aloha fa efa ela tsy nisy fety, rehefa tanaty fihiboana lava be teo. Eny indray no hiara-paly sy hiara-hikorana amin’ny fianakaviana, indrindra ireo tapaka sy namana » hoy i Nomena, mpankafia ny dfull party.

Ny alahadin’ny paska 09 Aprily sy ny alatsinain’ny paska 10 Aprily, araka izany no fotoana hifanomezana amin’ny fankalazana ny D-full Party 10 ity. Izay tanterahana eny amin’ny Batou bech Ambohimanambola hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire