Avaradrano: Nanome tanana ny fandidiana ireo zazalahy narary ny zandarimaria
Tontosa soa aman-tsara ny fandidiana hernie ireo roa lahy kely, tao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Nanome tanana tamin’ny fanatontosana izany ny zandary avy ao Ambohimalaza, Anjeva ary Ambohimanambola, ny faran’ny herinandro teo, araka ny voalaza.
« Mankasitraka ny zandary, ny fikambanan’ny vadin’ny zandary ary ny sosialin’ny Zandarimaria Ambohimalaza sy Anjeva ary Ambohimanambola tamin’ny fandraisana an- tanana ka nahavitana ny fandidiana « hernie » ireto zaza kamboty roa lahy kely ireto” hoy ireo mponina manodidina.
« Ankoatra ny fanampiana tamin’ny fandidiana dia mbola nanolotra kilalao, bodofotsy ,vary ary fanampiana ara – bola ny sosialin’ny Zandarimaria Ambohimalaza sy Anjeva ary Ambohimanambola mba hanampiana ilay renibe mpitaiza ireo kamboty ireo . Hisaorana ihany koa ireo mpitsabo ao amin’ny CHRD Ambohimangakely tamin’ny fikarakarana ny fandidiana » hoy hatrany ny fanazavana.
Tsy mijanona amin’ny fampandriana fahalemana ihany no asan’ny zandarimaria sy ireo fikambanana ao anatiny fa misy ihany ko fanmpiana ara-tsosialy ireo mpiara-belona tahaka izao.
Manitra R.
