ActualitésSocialTsidika

Ambohimangakely: Notohizana tao amin’ny EPP Andranovao ny « Atelier de vacances »

Notohizana tao amin’ny EPP Andranovao ny hetsika « atelier de vacance » izay nokarakarain’ny kaominina Ambohimangakely ho an’ireo ankizy ao an-toerana. Hetsika kilalao sy fialam-boky isan-karazany ho an’ireo ankizy no natao nandritra izany, araka ny voalaza.

« Hafaliana no nameno ny endrik’ireo ankizy nandritra ny fanatanterahana ny hetsika atelier de vacances teto an-toerana. Izany ihany koa no anisan’ny tanjon’ny kaominina dia hizara hafaliana sy korana ho an’ireo kilonga ao anatin’izao famaraparanana ny fialan-tsasatra izao » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaomininina.

« Naresaka ny tanàna teto Andranovao ary nahafinaritra ny niara-nizara izany hafaliana izany tamin’ny ankizy. Hisaorana ireo tomponandraikitra nanolotra ny hetsika satria sady fampiombonana no fitaizana ireo ankizy anaty soatoavina ny hetsika tahaka izao » hoy i Nirina, mpampianatra.

Tonga maro dia maro moa ireo ankizy tao amin’ny EPP Andranovao tamin’ity Atelier ity. Karazana kilalao iombonana sy fifampizarana no niseho nandritra izany. Samy afa-po avokoa ny rehetra.

Manitra R.

Laisser un commentaire