ActualitésTatitra

Maurice : Air Mauritius no zotram-piaramanidina mitatitra ny ankamaroan’ny mpizaha tany

Ny ankamaroan’ny mpizaha tany tonga ao amin’ny no nosy Maurice dia mandeha amin’ny zotra mivantana avokoa. Mbola ny Air Mauritius ao an-toerana no zotram-piaramanidina mitatitra ny ankamaroan’ny mpizaha tany makao amin’ny nosy arahin’ny Emirats raha ny fanambaran’ny AXYS tao amin’ny tatitra momba ny fizahantany nataon’izy ireo.

Ho an’i France dia manjifa io zotra io avokoa ny 59,9% ny mpizaha tany raha 6% ny mampiasa ny Emirats ary 34,1% ireo zotra hafa toy ny Air Austral, Air France, Corsair sns. 52,3% kosa izany ho an’i Royaume-Uni ; 45,3% ho an’i Allemagne ; 94% ho an’i Afrique du Sud ; 97,2% ho an’i La Réunion ary 76,3% ho an’i Inde. 0% kosa ny taha ho an’i Chine, manoloana ny tsy fahampian’ny sidina.

Laisser un commentaire