Ambohimanambola: Mitohy hatrany ny ezaka ho fandaminana ny fitantanana ny rano
Manomboka miverina tsikelikely amin’izao fotoana ny fandaminana ao amin’ny Service Eau Kaominina Ambohimanambola (SEKA). Nisy ny fampahafantarana mialoha ny daty hakana ny marik’isa fandaniana eny amin’ny paompin-drano (relevé) sy ny fizarana ny facture isan-tokatrano ao anatin’izany.
“Ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny fitantanana ny rano fisotro madio ato anatin’ny kaominina, dia napetraka ny fandaminana hakana ny marika fandaniana ho an’ny volana Aogositra. Nanomboka ny zoma teo izany, ka hatramin’ny anio alatsinainy. Ny 06 septambra kosa no hizarana ny faktiora ho an’ny rehetra” hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny SEKA.
“Ny fandaminana tahaka izao no tena andrasana amin’ny tomponandraikitra, mba tsy hisian’ny fikorotanana sy ny tsy fahazoan-dresaka eo amin’ny tomponandraikitra sy ny mpanjifa. Hirariana mba hitohy hatrany izany ho fanatsarana ny tolotra” hoy I Tahiana, mpanifa rano SEKA.
Tanterahina ao main’ny biraon’ny SEKA ihany moa ny fandoavana ny faktiora izany, rah any voalaza hatrany. Ireo olona miandraikitra sy manatanteraka ny fakana ny marika fandaniana eny amin’ny paompin-drano kosa dia manana “bagde” famanamarinana.
Manitra R.
