Fiahiana sosialy : Miroso amin’ny fametrahana izany ho amin’ny faritra 8 ambiny
Hatreto dia mbola ny faritra 15 eto Madagasikara ihany no misitraka izany fiahiana ara-tsosialy izany. Mbola misy faritra miisa 8 noho izany mbola tsy nahazo ny anjarany ka efa andalam-panatanterahana izany vina izany ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Mponina. Hiparitaka amin’ireo faritra rehetra ireo araak izany ny fitaleavam-paritrin’ny minisiteran’ny mponina raha 15 ihany izany amin’izao.
« Hatreto dia 12 isan-jaton’ny mponina tena sahirana manerana an’i Madagasikara ihany no mbola misitraka fiahiana sosialy. Kendrena araka izany ny hampiakatra io taha io ho 15 isan-jato amin’ity taona ity. Amin’ny alalan’ny tohana ara-tsakafo sy ara-bola entina hanatsarana ny fiaian’ny olona ny fomba hanatanterahana izany », hoy ny Talen’ny Fiahiana ara-tsosialy.
« Raha jerena ny fototry ny hoe fiahiana ara-tsosialy dia tokony tsy any amin’ilay fizarana fanampiana vola sy sakafo fotsiny ihany fa tokony himpaka hatrany amin’ny toe-karen’ny firenena iray manontolo. Ny tena tokony hatao izany dia manome asa na mampianatra asa ireo vahoaka sahirana ireo satria ny zavatra zaraina mora lany. Raha lany io dia inona indray nonhoanina. Hiandry fanampiana indray ve izany ? Ny zavatra toy izao mantsy dia mampianatra ireo olona ireo hiandry toloram-potsiny foana. Mila hampiroboroboana ny fampananan’asa mahavelona », hoy i Niaina, mpahay toe-karena.
Ankoatra ireo fanampiana ireo anefa dia efa zava-dehibe ny fanolorana fanamafisana traikefa azy ireo sy ireo mpisehatra amin’ny fanatanterahana izany. Atao ity farany, entina hitaizana ny mpisitraka ny fiahiana sosialy hampiasa araka ny tokony ho izy ny fanampiana. Natao koa hanentanana azy ireny izay any ifotony mba tsy hanary fotsiny ny fanampiana azony fa hampiasa izany ahazoana vokatra tsara. Fototry ny fampandrosoana ny fanabeazana ary ny atao rehetra dia ilaina fahaizana avokoa ka izany indrindra no tokony hanaovana ho laharam-pahamehana ny fampianarana amin’ny lafiny maro ireo mpisehatra ireo.
Miora Raharisolo
