Ambodiaviavy : Omby 2 lasan’ny dahalo
Miverina mirongatra indray ny halatra omby ankehitriny ato anatin’ny distrikan’Arivonimamo raha nilamindamina izay teo aloha. Omby miisa roa indray mantsy no very ny alin’ny Alakamisy 9 jona hifoha zoma tao Ambodiaviavy fokontany Tsenamandroso, kaominina Imerintsiatosika.
« Very ny omby, sada mena iray sy sada fotsy iray. Tsy nahatsikaritra na inona na inona izahay hany ka nahazo aina ireo dahalo namoaka ny omby tao am-bala. Ny maraina hanome sakafon’omby vao gaga fa tsy tao intsony ireo » hoy i Rarivoson Ernest, tompon’omby. “Miantso ireo afaka manampy rehetra izahay amin’ny fikarohana ireo omby very ireo. Efa miara-miasa izahay sy ny fokonolona amin’izao amin’ny lafin’ny tsy fandriam-pahalemana » hoy ny mpitandro filaminana.
Miantso ireo nahatsikaritra tranga mifandray amin’ity tranga ity noho izany ireo tompon’omby sy ny mpitandro filaminana. Mila hamafisina hatrany ihany koa ny andrimasom-pokonolona mba ahafahana miaro ny fananan’ny mponina.
Nicole Rafalimananjara
