Actualités

Oniversiten’Antananarivo: Miverina amin’ny laoniny ny fampiasana ny fotodrafitr’asa nasiam-
panamboarana

Nandritra ny fotoana naharitraritra izay no maro ireo fotodrafitr’asa tsy afaka nampiasaina teny
anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Amin’izao fotoana izao dia efa miverina amin’ny laoniny izany
fampiasana ny fotodrafitr’asa izany. Tafiditra tamin’izany asa fanamboarana izany ny mahakasika ny
herinaratra tao amin’ny Gymnase couvert, ny Cathédrales de Médicine sy ny an’ny DSP ary ny EGS
miaraka amin’ny an’ny Agence Comptable.

“Fiaraha-miasa teo anivon’ny Jirama no nahafahana nanao izany asa izany. Efa eo andalam-pandihina
ny fikojakojana ny lafiny herinaratra eny amin’ny ENS sy ny Polytechnique Vontovorona sy ny Agro
ihany koa ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao”, hoy ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny
Oniversite.

Raha tsiahivina dia nisy ny fitokonana izay nataon’ireo mpianatry ny ENS tamin’ny volana desambra
ary vao haingana teo ny avy ao anivon’ny Polytechnique. Nisy ny fifampiresahana ka nivaha ny olana
sy nilamina ireo mpianatra. Marihina moa fa anisan’ny fangatahan’ireo mpianatra ny fanarenana ny
fotodrafitr’asa hampiasaina. Efa mandeha ny fikarohana vahaolana mahakasika izany ka nisaotra ireo
tompon’andraikitra ny mpianatra. “Rehefa mifampiresaka dia mivaha ny olana ka hisaorana ny
tompon’andraikitra. Misy fotoana izahay miteny an’efitra ary tsy misy mihaino ka izany no miteraka
ny olana. Efa hita ny vahaolana amin’izao fotoana izao”, hoy ny solontenan’ireo mpianatra.

Ankoatra ny fotodrafitr’asa dia efa andalam-panomanana ny vatsim-pianarana ihany koa ny
Ministera fa ny fanamarinana ny mombamomba ny mpianatra tsirairay no mitaky fotoana ka
miteraka ny faharetan’ny fe-potoana. Toy ny Ray aman-dReny hatrany ny Ministera sy ny mpianatra
ka ny fifampihainoana no tokony vahaolana voalohany indrindra mba hialana amin’ny herisetra.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire