Dépêches

Fanatanjahantena : Manana solontena i Madagasikara amin’ny fiadiana ho tompon-dakan’i Afrika amin’ny hazakazaka sokajy tanora

Dépêche 16 février, 11h30, Manana solontena miisa 4 i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompon-dakan’ny Afrika amin’ny hazakazaka sokajy tanora. Hiroso amin’ny fifantenana ireo solontena ireo ny Federasiona ny asabotsy ho avy izao ka ireo izay latsaky ny 20 taona sy ireo latsaky ny 18 taona no ho raisina amin’izany. Mpihazakazaka lahy iray sy vavy iray avy isaky ny sokajin-taona no hofantenana amin’izany ary ireo izay tena hita fa hiaro ny voninahi-pirenena no alefa hiatrika izany lalao izany. Eo amin’ny kianja Alarobia no hanatanterahana ny fifantenana.

Laisser un commentaire