Dépêches

Fampianarana ambony : Hiato manomboka rahampitso raha tsy mivaly ny fanagatahan’ireo vacataire

Dépêche 08 mai, 12h, Nanao fanambarana ny fikambanan’ireo « vacataire » ao anatin’ny Oniversiten’Antananarivo fa hampiato ny fampianarana hanomboka ny talata 09 mai izao raha tsy mivaly ny fanagatahan’izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany fanagatahana izany ny fandoavana ny tambin-karama « vacation » an’ izy ireo nanomboka ny taom-pianarana 2018-2019 ka hatramin’izao. Ny tsy fisian’ny vahaolana miabo ny talata maraina dia midika fa fampiatoana ny fampianarana. Sorona indray ireo mpianatra ka tokony ho atao laharam-pahamehana ny famahana izany olana izany. Mbola hangatahin’izy ireo ihany koa ny mahakasika ny fanagaraharana amin’ny fandraisana azy ireo ho mpisam-panjakana.

Laisser un commentaire