Fananan-tany : Hanomboka androany ny herinandron’ny kara-tany
Dépêche 24 avril, 12h, Manomboka anio 24 aprily ny herinandron’ny kara-tany ho an’ny Antananarivo Renivohitra. Hanerana ny Nosy moa ny hetsika izay hosantarina eto amin’ny faritra Analamanga izao. Araka ny tetiandron’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany dia manoloana ny lapan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra no hanaovana izany ny 24 hatramin’ny 26 aprily ary ao amin’ny biraon’ny topographie ao Anosy, ny 26 hatramin’ny 28 aprily. Ny tanjon’ny hetsika dia ny hanome fanazavana misimisy kokoa ny fombafomba fangatahana karatany sy ny dingana rehetra amin’ny fahazahoana izany ary hamaliana ny hetaheta rehetra mahakasika ny karatany. Haparitaka manerana ny distrika sy ny kaominina rehetra ato anatin’ny faritra Analamanga ny hetsika.
