ActualitésTsidika

Ambohimalaza : Vonona hanome ny tsara hatrany ny fikambanana Miotisoa

Mitohy hatrany ny fampiofanana atolotry ny fikambanana Miotisoa manerana ireo kaominina ato anatin’ny distrikan’Avaradrano. Anjaran’ny kaominina Ambohimalaza indray no mandray ny fampiofanana ny anio sy rahampitso 25 aprily.

« Ezahana tsy hisy adino ireo kaominina miisa 16 ato anaty distrika fa hisitraka izany fampiofanana maimaim-poana izany avokoa » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny fikambanana.

« Mifanandrify indrindra amin’ilay tarigetran’ny fitondram-panjakana izao hetsika izao fia nyfampizakan-tena ny vehivavy. Ary tanjona hatrany ny hampitombo traikefa azy ireo, ahafahany manatsara ny fiainany sy ny fidiram-bolany » hoy hatrany ny fanazavana.

Kaominina miisa 6 no efa nanatontosana ity fampiofanana ity, izay hampianarana ny vehivavy ny hay mofo (patisserie), Fahombiazana hatrany no hitan’ny fikambanana nandritra izany ary afa-po ireo vehivavy nanaraka ny fiofanana.

Manitra R.

Laisser un commentaire