ActualitésTatitra

Mayotte : Isan’ireo vehivavy mpandraharaha ny taona 2023 i Nadjlat Attoumani

Maro ny vehivavy mpandraharaha ao Mayotte. Namoaka ny lisitr’ireo vehivavy mendrika indrindra ireo tompon’andraikitra ary tafiditra ao anatin’izany i Nadjlat Attoumani. Tamin’ny folo taona lasa, nandritra ny fiforonan’ny « deson association Amalca » (association cancer Mayotte) izay tarihany izy no fantatry ny daholo be.

Vehivavy miasa ho an’ny ady homamiadan’ny vehivavy, indrindra ny homamiadan’ny nono i Nadjlat Attoumani. Marihana fa efa sedran’izany aretina izany ny tenany taona vitsivitsy lasa izao. Miasa mikarakara sy manampy amin’ny fanatsarana ny fitsaboana ny vehivavy voan’ny homamiadana kosa ny fikambanan’i Nadjlat Attoumani ary mikarakara vondrona fifanakalozan-kevitra mba hahazoan’ ireo vehivavy marary tsirairay fanohanana ara-moraly.

Tamin’ny volana desambra 2022 teo kosa vao ny sokatra ny ivo-toeran’ny fikambanana voalohany izay efa 10 taona nisiana.

Laisser un commentaire