Sosialy : Notolorana fanampiana ny ben’ny tanàna ao amin’ny Distrikan’Ambovombe
Dépêche 24 avril, 13h, Mitentina eo amin’ny 3 500 tapitr’isa ariary eo ho eo ny vola natolotra ireo ben’ny tanàna miisa 20 ao anatin’ny Distrikan’Ambovombe. Mitentina eo amin’ny 234 tapitrisa ariary hatramin’ny 240 tapitrisa ariary isaky ny kaominina izany fanampiana natolotra azy ireo izany. Nanamarika ny Filoham-pirenena izay nanolotra izany fanampiana izany fa raha tsy mivoatra amin’ny alalan’io lelavola ion y kaominina tsirairay dia efa tsy handroso intsony. Izany anefa no ilaina ny fangaraharahana eny anivon’ny kaominina, eo ihany koa ny fampiofanana amin’ny fitantanam-bola sy ny fahaizana ny laharam-pahamehana sy ny maika. Izany rehetra izany mbola asa miandry ireo kaominina ireo avokoa ahafahany mampandroso ny toerana misy azy.
