Dépêches

Fandriam-pahalemana : Jiolahy miisa 7 tratra tetsy Anosibe Tsena

Dépêche 25 novembre, 11h, Nisehoana fanafihan-jiolahy indray tetsy Anosibe Tsena. Faritra amin’ny asan-jiolahy sy ny haro-paosy iny toerana iny ka efa mampikaikaika ny olona mihitsy. Teo am-panatanterahana fanafihana mitam-piadiana mpivarotra akanjo ireto jiolahy ireto no izao tratran’ny Polisy manao fanamiana sivily izao. Nampiasa hery ireto jiolahy ka tsy maintsy niditra tamin’ny fiarovantena sy ny fiarovana ny an’ilay tompon-trano ihany ireto polisy. Vokany dia jiolahy miisa 7 no lavon’ny balan’ny Polisy. Ilay tompon-trano kosa dia naratra ny tendany saingy avotra ny ainy ary tsy nisy ny zavatra very.

Laisser un commentaire