Dépêches

CHAN : Ho tafiakatra ho azy ny ekipa roa ao amin’ny vondrona C nisy an’ny Maroc

Dépêche 17 janvier, 13h, Noho ny olana misy eo amin’ny firenena Maroc sy i dia tsy afaka ny hiatrika ny lalao CHAN izay hatao any Algérie amin’izao fotoana izao ny Maroc. Ao amin’ny vondrona C izay misy an’ny Madagasikara no misy azy ireo amin’izany ka nambara tamin’ny fomba ofisialy izao fa ho tafiakatra avy hatrany amin’ny dingana manaraka ireo ekipa roa mahazo ny naoty ambony indrindra ao amin’io vondrona C io. Hatreto dia azo lazaina ho tsara toerana i Madagasikara ao anatin’ny vondrona. Izany anefa no ilaina ny fanohanana fara-tampony avy amin’ny Malagasy rehetra hahafahana manampy tosika ireo ekipam-pirenena ireo.

Laisser un commentaire