ActualitésTsidika

Toetr’andro : Hitombo ny rotsak’orana ho an’ny ilany atsinanan’ny Madagasikara.

Nanambara ny avy ao amin’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro fa hisy ny rotsak’orana betsaka kokoa noho ny isan’andro hanomboka ny alarobia 18 janoary izao. Ny faritra atsinanan’ny Nosy iny no tena hiantefan’izany andro ratsy izany izay efa hiantsoana sahady ny fitandremana avy amin’ny tsirairay.

« Vinavinaina hikisaka miakandrefana somary atsimo andrefana ny diany ilay tangon-drahona  ka mety hanambana ny morontsiraka avaratra, avaratra atsinanana sy afovoany atsinanan’ny Nosy manomboka ny Alarobia 18 Janoary izao ka izay no mahatonga ny rotsak’orana ho betsaka any amin’ny faritra atsinanana izany», hoy ny avy ao amin’ny Sampana Mpamantatra ny toetr’andro ka tokony samy handray ny fepetra mifanaraka amin’izany ny rehetra.

« Ankoatra izany dia mitoetra ao amin’ny Ranomasimbe Indiana ny Zone de Convergence Inter-Tropicale (ZCIT) izay arahina rahom-baratra saika manerana ny tapany avaratry ny fari-dranomasina. Ao anatin’izany ny ZCIT izany dia misy tangoron-drahona roa misongadina izay efa nitoetra nandritra ny andro maromaro. Ny voalohany dia any amin’ny ilany atsinanan’ny fari-dranomasina ary ny faharoa kosa dia any amin’ny manodidina ny 1349 Km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Vohemar any », hoy hatrany ny fanazavana.

Arakan y vaovao voaray hatrany dia tombanana hihena ny herin’ilay tangoron-drahona ka mety tsy hivoatra ho mafy ny andro ratsy ao anatin’ny dimy andro manaraka. Arahi-maso tanteraka ny fivoaran’ity tranga ity izay efa hangatahana sahady ny fahamailoana sy ny fiomanana satria efa vanim-potoan’ny rivo-doza amin’izao eto Madagasikara.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire