Ambohimangakely : Miteraka fahasimban’ny lalana sy fitohanana ny nanaovana foto-drafitr’asa momba ny rano amin’ny lalam-pirenena
Nampatsiahy ny avy eo anivon’ny fiadidin’ny kaominina Ambohimangakely ny faran’ny herinandro lasa teo fa nisy ny fifanarahana sy fifampiresahana nifanaovan’ny tompon’andraikitra sy ny mponina talohan’ny nanaovana ny foto-drafitr’asa momba ny rano izay nampiasana ny lalam-pirenena faharoa. Hita ankehitriny fa tsy nisy ny famerenana amin’ny laoniny ny lalana nampiasaina ka miteraka fahasimbana amin’ny lalana sy fitohanana izany amin’izao fotoana izao.
« Mahatsiaro manana anjara andraikitra goavana ny kaominina amin’ny fampatsiahivana ireo mponina. Tafiditra ao anatin’ny fitaizana sy fanomezana fanamarihana izany mba hahatonga saina sy hampandraisana andraikitra ny isam-batan’olona satria fananana iombonana no resahina » hoy i Rafidy, mpahay fiaraha-monina.
« Anisan’ny mampihitra ny olana ho goavana raha tsy misy ny fandraisanana andraikitra manoloana izao. Ankoatra ny fahasimban’ny lalana, efa ho avy ihany koa izao ny fahavaratra ka mety hampidi-doza ny fihitaran’ny fahasimbana » hoy i Noeline, mponina ao Ambohimangakely.
Tafiditra ao anatin’ny fifampitaizana ny fiaraha-monina ny fanomezana toromarika sy fampatsiahivana. Raha mbola tsy misy kosa anefa ny fihetsehana na fandraisana andraikitra, azo atao ny miroso amin’ny fanomezana sazy na fepetra ho an’ireo tsy manara-dalàna.
Manitra Ramanantsoa
