Japon : Nahitana faikan-javatra tao anatina vaksiny Moderna mbola nihidy
Andiana Vaksiny Moderna telo nozaraina tao Japon no nahazoana fitarainana. Manoloana izany dia nanao tatitra ny vondrona Takeda mpanafatra sy mpizara ny vaksiny ao an-toerana fa misy « corps étranger » ireo vaksiny maromaro tsy mbola nivaky. Nanapa-kevitry niaraka tamin’ny ministeran’ny fahasalamana izy ireo fa atsahatra ny fampiasana ity vaksiny ity, nanomboka ny alakamisy teo. Mbola manana fatra 1,63 tapitrisa nefa ny firenena. Nangataka tamin’ny toeram-pikaronaha any Etats-Unis izy ireo hanao fanadiadiana maika mahakasika ireo vaksiny vokarin’i Espagne ireto.
