Fiompiana : Nozaraina biby fiompy madinika maherin’ny 500 isa ny Distrikan’Amboasary Atsimo
Biby fiompy maharin’ny 500 no nozaraina tao amin’ny Distrikan’Amboasary Atsimo ho an’ny mponina. Tafiditra tao anatin’izany ny ondry sy ny osy. Ny tetik’asa OSRO/MAG/208/GER, izay mikendry ny hamerina, hanatsara ary hanamafy orina ny fivelomana, ny fanjarian-tsakafo ary ny sakafo ho an’ireo tokantrano tena marefo no nampisy izany fizarana izany.
« Olona maherin’ny 200 no kendrena tamin’ity tetik’asa ity. Mbola tsy ampy araka izany ireo voazara ireo ka tsy maintsy hahazo ny anjarany avokoa ny vahoaka mpisitraka rehetra. Ny tanjon’ny tetik’asa dia ny hanamafy ny fiveloman’ny vondrom-piaraha-monina eny ifotony. Ny Kaominina Berano, Marotsiraka, ary Toamboarivo aloha no nisitraka ireto andiany voalohany ireto fa ho avy ihany koa ny andiany manaraka », hoy ny avy ao amin’ny FAO, tompon’ny tetik’asa.
« Tsy omena sakafo na vola ireo vahoaka raha tena te hanampy azy ireo ho amin’ny fampandrosoana. Omena azy ireo ny fitaovana, omena azy ireo ny fampiofanana ary vatsiana izay tena tokony ho ilainy amin’izany izy. Anjarany avy eo no mampivoatra ny eo an-tanany. Notolorana fanafody ihany koa izy ireo nandritra ny fizarana ireto biby fiompy ireto ahafahany mitsabo raha sendra marary ireo omby ireo », hoy ny Ben’ny tanànan’ny Tomboarivo.
Hanampy ireo vahoaka mpisitraka hampitombo ny fidiram-bolan’izy ireo ity fizarana ity. Hanohana ny mahakasika ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa izany.
Miora Raharisolo
