Anosy Avaratra : Nankalazaina tao amin’ny EPP Lazaina ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony
Ny andron’ny 20 oktobra lasa teo, no notontosaina tao amin’ny EPP Lazaina ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony, izay niarahana tamin’ny Rotary Club Tsimbaroa, tao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Nentina nanamarihana izany andro izany ihany koa, araka ny voalaza, ny fanokanana ny foto-drafitr’asa ho an’ny fanasana tanana, izay natolotra ny EPP Lazaina.
«Zava-dehibe ho an’ny fahasalaman’ny mpianatra izao fotodrafitr’asa izao. Zaza madio, zaza salama ary milamina miatrika ny fianarana ireo mpianatra manomboka izao. Hankasitrahana ireo mpanohana rehetra nahavitana izao foto-drafitr’asa izao ary manantena hatrany ny fifanohanana amin’ny asa sosialy eto anivon’ny Kaominina” hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
“Anisan’ny fanentanana tokony hataon’ireo tomponandraikitra, manoloana ny fametrahana foto-drafitr’asa vaovao tahaka izao, ny fitandremana sy fikarakarana ny fananana iombonana. Eo ihany koa ny fanaraha-maso izany, mba haharitra ilay foto-drafitr’asa fa tsy vonji-maika ihany” hoy I Nirina, mpanentana amin’ny fidiovana sy fanadiovana.
Ilaina hatrany ny mampatsiahy sy manentena amin’ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony, indrindra fa ireo mpianatra. Antoka ho an’ny fahasalamana ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony matetika. Tombony ny fananan’ny sekoly toerana voatokana ho amin’izany, ary manentana ireo tsy mbola manana izany hampiasa ireo daban-drano isan-karazany mba ho fahasalamana ho an’ny rehetra.
Manitra Ramanantsoa
