Zon’olombelona : Tsy ahafahana manaja izany zo izany ny fonja eto Madagasikara
Olombelona mbola mizaka ny zony tsara ny voafonja na dia eo aza ireo zo ara-panjakana izay tsy azony sitrahana intsony. Amin’izao fotoana izao anefa dia tsy hahafahana misitraka izany zo izany intsony ny fonja eto Madagasikara. Nanambara ny avy ao amin’ny Firenena Mikambana fa mahatratra hatramin’ny 1 000 % ny habetsaky ny olona amin’ireo fonja sasany eto Madagasikara. Izany zava-misy izany no tokony handraisana fepetra maika.
« Mila amboarina ny politikan’ny fonja eto Madagasikara satria ireo olombelona ireo dia tokony mbola mbola hisitraka ireo zo tena mendraka azy. Anisan’ny azo atao ohatra ny fikarohana safidy hafa amin’ny fanagadrana raha jerena ireo fonja feno olona voatazona am-ponja alohan’ny fitsarana mba hanamaivanana ny toerana nitazonana azy », hoy ny avy ao amin’ny Firenena Mikambana.
Manamafy izany fahamaroana mihoapampana amin’ny olona voafonja izany ihany koa ny Ministeran’ny Fitsarana. Anisan’ny efa mikaroka vahaolana amin’io zava-mitranga io ihany ko anefa izy ireo. « Ankoatra ny tsy maintsy hafainganana ny fikarakarana ny raharaha mahakasika ireo voampanga ireo dia misy ihany koa ny fanamboarana ny fonja vaovao hahafahana manalefaka ny fitohanan’ny fonja », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitsarana.
Etsy andaniny anefa di any zava-misy hiainana no mahatonga ny fahamaroan’ireo voafonja. Iza ary izany no tokony ho tompon’andraikitra amin’izany ? Avy aiza ny mahatonga io lesoka mibaribary io?
Miora Raharisolo
