Chine : Vehivavy tokana ao amin’ny lisitr’ireo mpilalao « jeu d’échecs » 100 sangany indrindra i Hou Yifan
Teraka ny 27 febroary 1994 tao amin’ny faritanin’i Jiangsu ao Chine i Hou Yifan. Mpilalao « jeu d’échecs » ny tenany, izay sangany eo amin’ny taranja, ary nahazo ny anaram-boninahitra « Grand maître international » tamin’ny taona 2008 teo amin’ny faha 14 taonany.
Efa tompondaka eran-tanin’ny « jeu d’échecs » i Hou Yifan tamin’ny taona 2010. Nitazona io amboarany io izy ny taona 2011 saingy resin’ilay mpilalao avy ao Ukraine, Anna Ushenina tamin’ny taona 2012. Tafaverina tamin’i Hou Yifan indray nefa ny amboarany ny taona 2013. Tsy niatrika ny fiadiana ny tompondaka indray izy raha tsy ny taona 2016 izay mbola nandreseny. Nitsahatra tamin’ny fifaninana izy taorian’izany.
Laharana voalohany amin’ny « jeu d’échecs » vehivavy iHou Yifan eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary laharana faha 99 amin’ireo mpilalao 100 sangany indrindra. I Hou Yifan irery no vehivavy ao amin’izany lisitra izany. Manana isa 2 650 kosa izy amin’ny « classement Elo » taona 2022.
