ActualitésTsidika

Antananarivo : Mandroso ny fanamboarana ireo lalamby sy ireo foto-drafitr’asa ho an’ny tetik’asa « train urbain »

Mandroso ny asa fanamboarana ireo lalamby sy foto-drafitr’asa ho an’ny tetik’asa « train urbain » eto Antananarivo Renivohitra. Tsiahiviny fa efa ela ity tetik’asa ity no nokasaina natao. Efa ao amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina moa ny ampahany amin’ireo fitaovana hampiasaina ho an’ny Train Urbain ary ho tonga tsy ho ela ihany koa ny fitaovana fanampiny, izay tafiditra amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa tsy miankina Arterail.

« Mitombo izay tsy izy ny fitohanana ary ny saran-dàlana ihany koa tahaka izany, na ho an’ny fiara fitanteram-bahoaka eto An-drenivohitra izany na ho an’ny fiara makany amin’ny faritra ka izany izany indrindra no nanaovana ity tetik’asa ity » hoy Raymond anisan’ireo tompon’andraikitra ao anatin’ny tetik’asa Train Urbain. « Miankina tanteraka amin’ny fifamoivohizana ny antoky ny fampandrosoana ny firenena iray sy hahafahana mivoatra ihany koa, raha tsy misy ny fifamoivoizana mantsy dia tsy afaka ny hifindra ireo olona ary tsy afaka ny hivoaka ihany koa ny vokatra » hoy Nirina mpianatra mahakasika ny fampadrosoana eny Ankatso.

Anisan’ireo hamaha ny olan’ny fifamoivoizana sy fitaterana ary hitondra fampivoarana ny tanàna sy Renivohitry Madagasikara ny tetik’asa Train Urbain, izay tetik’asa efa ezahan’ireo firenena an-dàlam-pandrosoana rehetra ifaninanana tanteraka ny fampidirana azy aty amin’ny firenena rehetra aty Afrika.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire