Ambohimangakely : mila jerena ny mahakasika ny lalana rond point-Rocade
Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo amin’ny rond point, mivoaka eo Amoronakona, kaominina Ambohimangakely, ny marain’ny alarobia teo. Camion lehibe iray no nivadika teo amin’ny fiolanana, raha ny voalaza.
« Anisan’ny tena olana amin’ity lalana eto ity, asa raha tsapan’ireo tomponandraikitra tamin’ny fotoana nanamboarana ny lalana, fa tery loatra, tsy hiodonan’ny fiara vaventy eto amin’ny fiolanana ity. Mampanahy sy mampitahotra ny mpitondra fiara foana ny mandalo eto noho izay fahaterena izay, indrindra fa ny fiara lehibe » hoy i Anja, mpitondra tongo-droa.
« Olana eo amin’ny fahateren’ny lalana mihitsy no mahatonga ny loza eto fa tsy noho ny fandehanana mafy na ny tsy fanajana ny lalànan’ny fifamoivoizana. Tazana misy mpitandro filaminana manao ny asany hatrany eo saingy mbola misy foana izany lozam-pifamoivoizana izany » hoy i Ando, mponina eny amin’ny manodidina.
Tsy vao izao moa no nisehoana fienjerana fiara vaventy teto amin’ity fiolanana eto amin’ny rocade ity. Anisan’ny lalana ampiasain’ireo fiara vaventy mpivezivezy amin’ny lalam-pirenena faharoa anefa ity. Ilaina hatrany ny mitandrina araka izany, indrindra ho an’ireo mpampiasa lalana.
Manitra R.
