Fizahantany : Mangataka ny hamerenena ny asany ireo mpandraharaha
Tato anatin’ny herintaona izay, nisy hatrany ny sidina manokana nataon’ireo firenena hafa eto Madagasikara ary nahazoan-dalana manokana avy amin’ny fitondram-panjakana izany. Maka ireo teratany vahiny taraiky aty Madagasikara ireo sidina ireo, eo ihany koa ireo teratany vahiny mahazo alalana manokana hiditra eto amitsika nohon’ny antony manokana sy ny asa. Saika ho isan-kerinandro no misy izany sidina manokana izany. Saingy mbola tsy nisy lalana manokana hoan’ny sehatry ny fizahantany aloha eto amitsika amin’izao fotoana izao. Velon-taraina anefa ny ankabeazan’izy ireo nohon’ny tsy fisian’ny vola miditra efa ho herintaona izao. Efa hiarahantsika mahalala rahateo ny fatiantoka sedrain’izy ireo ankehitriny. Na misy aza ny fanomezam-bahana kely izany sehatra izany tany Nosy be, tsy maharina ny fatiantoka be avy amin’izy ireo izany. Nivoaka tamin’ny fahanginany ary izy ireo ary manomboka manao antso avo amin’ny filoham-pirenena. Ireo mpandraharaha isan-tsokajiny toan’ny mpitondra fiarakaretsaka eny amin’ny seranam-piaramanidina, ny mpitari-dia, ny mpitondra entana, ireo toerana misahana ny fizahantany maro sy mpisera dia no mitambatra ankehitriny. Mangataka ny hiverenan’ny asam-pizahantany amin’ny fomba rehetra izy ireo, ary miandrandra ihany koa ny fanampian’ny fanjakana. Misy ny sosokevitra hatolotr’ireo mpandraharaha ireo ny amin’ny hampidirana ireo vahiny vita vaksiny eto amitsika. Raha ny hita amin’izao fotoana izao anefa, hita ho mbola sarotra ny hamerenana io seham-pizahantany io ankehitriny.
Fanilo Rarivoarilala
