SocialTsidika

Manana tanjona ny hanatsara ny fiompiana omby ny fanjakana

Faritra efatra eto Madagasikara no tena sangany amin’ny fiompiana omby, izay mamelona mpiompy maro. Ny faritra Anosy, Androy, Atsimo Andrefana sy Ihorombe no tena ahitana olona maro mivelona amin’io seham-pihariana io. Ankoatran’ny hen’omby, vokatra azo avy amin’ny fiompiana ihany koa ny ronono. Laharam-pahamehana anefa ny fikolokoloana sy fiompiana omby mba hahazoana vokatra tsara avy aminy, ary maro ireo dingana efa narahan’ny mpiompy sasany mba hahazoana izany. Efa nisy ihany koa ny fanomezana fampiofanana momba ny fiompiana ho an’ireo mpiompy, laharam-pahamehana ihany koa ny fintantanana ara-pahasalamana ireo omby, ny fambolena vilona, ny lafiny fananahana ary ny fandrafetana kaontim-pamokarana. Arahina fampiharana sy fanjohiana eny ifotony ny fanofananaazo ho fanamafisana ny fahaiza-manao mandritra izany. Ny fanjakana ihany koa etsy ankilany miezaka mametraka lalàna vaovao mahakasika io fiompiana omby io. Tsiahivina fa efa nisy ny fampiharana ny tetik’asam-panjakana mahakasika ny fametrahana teknolojjia vaovao ahafahana manara-maso ireo omby amin’ny asan-dahalo, izay olana tena sedrain’ny mpiompy any amin’ireo faritra voalaza ireo. Tanjona amin’ny fametrahana ity lalàna vaovao ity ny hanatsarana io sehatra io, hampitomboana ihany koa ny tontolon’ny tsenan’omby. Hisy araka izany ny atrik’asa ataon’ny mpiasam-panjakana iharahana amin’ireo sehatra ireo sehatra tsy miankina amin’ny fahalavorariana izany sehatra izany. Hialàna amin’ny fahasarotan’ny fanaraha-maso ity ezaka vaovao ataon’ny fanjakana ity izay mbola lesoka lehibe ankehitriny, mbola olana ihany koa ny mahafantatra ny tena fiavian’ny omby an-taratasy, izay mahatonga hosoka matetika. Manoloana izany rehetra izany no nanatsarana ny fiompiana omby.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire