SocialTatitra

Etats-Unis : Marika manana paikady ara-barotra mandaitra ny Nike

Orinasa natsangan’i Philip Knight sy Bill Bowerman tamin’ny taona 1971 ny Nike. Ao Beaverton ao Oregon izy no misy ny ivo-toerany ary malaza amin’ny famokarana vokatra ho an’ny fanatanjahatena toy ny kiraro, akanjo ary fitaovana ampiasaina amin’ny fanatanjahatena toy ny fitoeran-drano (gourde), kitapo sns…

Ny marika Adidas no tena mpifaninana aminy saingy miroborobo kokoa ny Nike raha ny fanazavana ny fahaizany. Isany anton’izany ny fananan’ny marika paikady ara-barotra mandaitra sy ny fahaizany manakaiky ny mpanjifa. Namolavola akanjo ho an’ireo olona matavy izy ny taona 2017 ary namoka horonantsary fohy ho an’ireo Japonais ny taona 2020, izay niparitaka tao an-toerana ka napiakatra ny lazan’izy ireo. Ankoatra izay dia manana « application » ho an’ireo mpanjifa ihany kosa izy ahafahana mijery ny mombamomba ireo mpanjifa sy ny vokatra mety ilainy. Etsy ankilany dia mahay misarika ny mpividy amin’ny alalan’ireo olo-malaza misolo-tena ny marika toy Michael Jordan, Tiger Woods, Andre Agassi,… ihany koa ny Nike.

Vokatry ny naiky isany miroborobo amin’izao fotoana ny Nike Air Jordan, Nike ACG, Nike Flyknit, Nike Air Force One, Nike Air Max, Nike+iPod, Nike SB, Nike Air Plus ary ny Nike 6.0 izay vokatra faraparany. 

Voir moins

Modifier

Laisser un commentaire