SocialTsidika

RN6 : Rongony 200 Kilao saron’ny Zandary

Fanetriben’ny firenena ny zava-mahadomelina ary isan’ny mahatonga ny tsy fandrim-pahalemana izay tena mahazo vahana tokoa amin’izao fotoana izao na dia anatin’ny aretina aza ny nosy. Mahavoasazy araka ny fehezan-dalàna famaizana misy eto amintsika ny fitondrana, fivarotana, fividianana ary indrindra ny fifohana ny rongony. Misy ihany anefa ny mpandika lalàna ary tsy hipetraka manoloana azy ireny ny mpitandro filaminana fa miady hatrany amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Mahadomelina tokoa satria mahavita zavatra tsy takatrin’ny saina mihitsy ny sasany hany ka manolana, manendaka, mamono olona mihitsy aza. Ny 19 aprily lasa teo izao, tra-tehaka ny rongony 200 Kilao teny amin’ny lalam-pirenena fahaenina iny tao amin’ny Kaominina Ankerika Antsohihy. Nohezahin’ireo tontakely nafenina tanaty gony misy apombo ihany ireto rongony mba hamitahana ireo mpisava eny an-dalana kanjo tratra ihany ny farany. Ny Zandary avy ao amin’ny Brigade de Police de la Route Antsohihy izay misahana ny « Barrage securitaire » teo amin’ny fiolanana ao Ankerika no nahatratar azy ireto. Nogiazana avy hatrany ny entana ary nentina natao famotorana ireo nitondra azy. Voalaza ihany koa fa any Ambondromamy no nisy ny tompon’ireto ary voasambotra tany ihany koa ity farany. Ny olona miady amin’ny aretina sy miezaka miaro tena manoloana ny Covid-19 izay tena mahafaty tokoa, ny mpanao ratsy kosa mifantoka amin’ny asa ratsiny ihany. Soa fa tsy mikely soroka ny mpitandro filaminana anatin’izany rehetra izany. Tadidio fa isan’ireo loza mitatao amin’ny fahasalamana akoatran’ny Covid ny rongony sy ny zava-mahadomelina hafa. Ndao iaraka iezaka hanafoana ny zava-mahadomelina isika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire