Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety
23 aprily, 14h00. Nindaosin’ny fahafatesana i RASOLOFOHERY Alain Michel na i Paparazzi, mpanao gazety mpaka sary tao amin’ny gazety an-tsoratra « La Gazette de la Grande ile ». Efa nitazona ny anjara toeran’ny talen’ny famoahana tao amin’io gazety io ihany koa. Efa mpanao gazety tao amin’ny gazety Lakroa an’i Madagasikara ihany koa izy. Mpikambana navitrika tao amin’ny CRIMAD izay fikambanan’ny mpanao gazety mpaka sary ihany koa izy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana.
