SocialTsidika

Laharam-pamehana ny fahasalamam-bahoaka

Tsy mora ny fiatrehana ny valan’aretina coronavirus ary manaporofo izany ny mbola fisian’ny tsimokaretina sy ny lavo eran’izao tontolo izao. Tsapa tokoa fa sahirana hatramin’ny fitondram-panjakana amin’ny fifehezana ny aretina. Manampy izany ihany koa ny tsy fahampian’ny enti-manana sy ny fitaovana entina miady amin’izany na eto Andrenivohitra na any amin’ny faritra hafa rehetra. Porofon’izany ny zava-misy eny amin’ireo hopitalim-panjakana sy toeram-pitsaboana handraisana ireo marary. Mbola lavitra ny ady hatrehantsika raha ny antontan’isa mivoaka isan’andro no jerena. Misy amin’ireo mpandinika ny fiaraha-monina no milaza fa tokony hajanon’ny fanjakana avokoa aloha ireo tetikasa tsy laharam-pahamehana eritreretina hatomboka, fa hoentina miady amin’ny valan’aretina ny teti-bola tokony hanaovana izany. Havahana amin’izany anefa ireo tetikasa efa eo andalam-pandehanana amin’izao fotoana izany, fa resahiny manokana ny mahakasika ireo vao hatomboka. Ny fiatrehana ny valan’aretina hoy ny mpandinika hafa no tokony hatao laharam-pamehana satria zava-dehibe ary faran’izay saro-pady ny fahasalamam-bahoaka. Ny fanadihadihana nataon’ny firaisamonim-pirenena ihany koa etsy ankilany manamafy fa misy ny lesoka amin’ny fitantananana ny tetibolam-panjakana, indrindra manoloana ny fahasalamana amin’izao fotoana izao. Nilaza izy ireo fa tsy araka ny zava-misy ihainan’ny mponina akory ny fandaniana ankapobeny avoakan’ny fanjakana, izay nihevitra ny hampitombo izany hatrany amin’ny 6,9%. Ny zava-misy marina anefa ankehitriny, hita ao anatin’ny fahasahiranana ny mponina, raha tsy hilaza fotsiny ny tsy fisian’ny fanafody sy ny tsy fahafahana mandray marary amin’ireny toerana ireny, mivezivezy etsy sy eroa ireo marary amin’ny fitadiavana hopitaly.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire