ActualitésTatitra

Angleterre : Sarivongana vita amin’ny zava-maranitra ny Knife Angel

Ny Knife Angel na National Monument Against Violence & Aggression dia sarivongana goavana namboariana tamin’ny zava-maranitra toy ny antsy, famaky, sabatra sns miisa iray hetsy. Ny mpanao zavakanto Alfie Bradley sy ny British Ironworks Center no namolavola izany ary ao amin’ny Oswestry no ahitana azy.

Tafiditra ao anatin’ny zavakanto « contemporaine » io sarivongana io. Mirefy 8,2 metatra izany ary milanja 5 taonina. Raha ny fanazavana dia natao io sarivongana io mba hitaritana ny sain’ny olona amin’ny loza mitatao manoloana ny herisetra mampiasa zava-maranitra ao amin’ny firenena. Marihana fa misy amin’ireo antsy nampiasaina nanangana ny sarivongana ireo fitaovam-piadiana nogiazan’ny polisy.

Laisser un commentaire