Chef Cisco teo aloha nitifitra, namono nahafaty ny zanany vavy tany Sambava
Fito volana an- trano maizina no sazy nihatra amin’ilay lehiben’ ny fari- piadidiam- pampianarana teo aloha. Fitifirana ka nahafaty ny zanany vavy, 18 taona ny alin’ ny 28 novembra 2020 tao Andrahanjo Distrika Sambava no antony. Ny mampalahelo, hoy ny mpisolovava an’ ilay fianakavian’ ilay zazavavy namoy ny aina fa lasa nivadika ho fitifirana tsy nahy indray no nahafaty an’ ilay zaza ka izao dia lasa nampihena ny sazy ho an’ ilay voapanga ary mitovy efa afaka satria efa ho fito volana sahady izay no efa nampidirana am- ponja vonjy maika azy.
Tetsy an-kilany anefa nilaza ilay raim-pianakaviana fa « tsy nahy no nitifirako an- janako fa nikendry ilay tovolahy izay heveriko ho nanadala an- janako aho nefa nivantana tany amin’ ilay zanako ilay bala ». Naneho ny heviny anefa ny manodidina fa na tahaka ny inona hasarotam-piaro amin’ny zanaka vavy dia tsy tokony hiafara amin’ny famonoan’olona mihitsy izany. Enjehan’ny lalàna ny famonoan’olona na inona na inona antony. Ny zanaka no tokony fehezina sy anarina tsara ao an-tokatrano fa tsy tokony hiafara amin’ny fifofoana aina izany.
Nicole Rafalimananjara
