ActualitésTsidika

Fahasalamana: Mila mitandrina sy miaro tena ny rehetra manoloana ny valan’aretina covid-19

Nametraka fepetra indray ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka mba hisorahana ny fiparitahan’ny valan’aretina covid-19 izay tsy mitsahatra miakatra indray amin’izao. Ampiharina amin’ny faritra 3 ny fepetra fahamailoana amin’ny coronavirus dia i Analamanga sy Vakinakaratra ary Matsiatra Ambony. »Ho fanapahana ny rohimpifindran’ny valan’aretina dia hamafisina ny fampiaharana ireo fihetsika sakana efa mahazatra teo aloha izay tsy maintsy atao toy ny fametahana aro-vava orona sy ny fanasana tanana ary ny fanajana ny elanelana 1 metatra sy ny maro hafa » hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Zely Arivelo Randriamanantany. « Mila mitandrina mandrakariva isika manoloana ity fahavalo iraisana ity ka asa misalasala manantona ny tobim-pahasalamana raha tsy metimety satria maimaimpoana ny fitsaboana ity aretina ity manerana ny CSB II rehetra » hoy i Dokotera Fidy. »Vahaolana ny fanaovam-baksiny saingy manana ny safidiny ny rehetra, ka samia tompon’andraikitra amin’ny fahasalamany avy, sarobidy loatra mantsy ny ainy ary tsy ananam-piry » hoy i Gerard, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Tompon’andraikitra amin’ny fahasalaman’ny hafa ihany koa isika ka tokony hiaro tena tsara tsy hamindra amin’ny ankohonana ho fiarovana azy ireo. Ny fanantonana ny tobim-pahasalamana no tena vahaolana raha misy tsy fahasalamana fa tsy mety ny mitsabo tena irery. Hafa mihitsy izany miresaka amin’ny mpitsabo izay efa manana fahalalana amin’ny fahasalamana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire