Iza i Rabearison Todisoa Franck, Malagasy handray anjara amin’ny JO any Tokyo ?
Hotontosaina ny 23 jolay hatramin’ny 8 Aogositra 2021 izao ny lalao lehibe iraisam-pirenena « Jeux Olympiques » any Tokyo, Japon. Tsy diso anjara amin’izany isika eto Madagasikara ka ny 20 jolay lasa teo no nanainga teto an-tanindrazana hiatrika ny lalao ireo mpilalao malagasy.
« Dingana lehibe tokoa izao ary mitondra avo ny firenentsika » hoy i Bruno, mpankafy fanatanjahan-tena. Atleta 6 no handray anjara amin’ity fifaninana ity izay misy an’i Andriantsitohaina Eric sy i Andriantsitohaina Tojo izay samy mpibata fonjam-by ; Nomenjanahary Daniella ao amin’ny taranja judo ; Rasolonjatovo Mickael sy Raharijaona Murielle samy ao amin’ny taranja lomano ary i Rabearison Todisoa Franck, ao amin’ny taranja hazakazaka 400 metatra.
Horesahantsika bebe kokoa ny mikasina an’i Rabearison Todisoa Franck. 29 taona ny tovolahy ary tsy handrobaka medaly akory no tanjony amin’izao lalao izao na ny hoe handray anjara fotsiny. Nanambara kosa izy fa « Hanome ny tsara indrindra avy aty no tanjoko amin’izao lalao izao ary hanatsara ny fahaizana ». Tsy nampoiziny loatra izao fisafidianana azy handray anjara amin’ny JO izao fa noho ny fahaizany nandritra ny fifanintsanana izay mbola ho ampitomboiny ihany no nahatonga azy amin’izao. Nanomboka ny 2015 izy no niditra lalina tamin’izao taranja hazakazaka izao ary efa betsaka ny fahombiazana azony talohan’izao lalao izao.
Nirary soa azy mba hitondra avo hatrany ny voninahim-pirenena ny Ministera ny tanora sy ny fanatanjahantena izay tarihan’ny Ministra Tinoka Roberto. Manohana hatrany azy ireo ihany koa ny Malagasy rehetra.
Nicole Rafalimananjara
