ActualitésTsidika

Mbola misy hatrany ny Covid-19 eto Madagasikara

Mitohy hatrany ny ady amin’ny coronavirus eto amin’ny tany Repoblikan’i Madagasikara. Ny Martsa 2020 no tafiditra teto ity valan’aretina ity izay efa nandripaka ain’olona maro. « Ny fidirana amin’ny fanaovam-baksiny no tena fanafodin’ity aretina tsy mety foana ity » hoy i Dokotera Jeannot.

Nanenho ny heviny kosa i Rivo, mpianatra eny anivon’ny anjerimanontolo fa « Ny fahaizantsika miara-miaina amin’ity virus ity no vahaolana fa io tsy ho foana izany. Manana fahazarana manaja ireo fepetra amin’izay sady voaaro ny vatana no efa mandeha ho azy ilay fihetsika toy ny fanaovana arovava sy ny fampiasana gel ». Misy hatrany raha teo ireo marary vaovao satria raha ny antotan’isa navoakan’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny alarobia 21 jolay izao dia 13 indray ireo tranga vaovao hit aka 7 Analamanga, 3 Atsinanana ary 3 Matsiatra Ambony. Miisa 19 kosa ireo sitrana tamin’izany.

Vahaolana tokoa ve ny fanaovam-baksiny ? Nilaza ny solontenan’ny Banky Iraisampirenena monina eto Madagasikara fa « 60% ireo mpiasan’ny fahasalamana efa vita Vaksiny tamin’iny andiany voalohany iny. 197 000 izany ny fitambran’ireo vita vaksiny andiany voalohany teto amintsika raha 250 000 ny fatra azon’i Madagasikara tao amin’ny “initiative COVAX ».

Ho avy tsy ho ela ihany koa ireo vaksiny andiany manaraka, hoy ny Praiminitra Ntsay Christian. Efa nahazo alalana avy amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka kosa ireo sehatra tsy miankina te hanafatra vaksiny hiarovana amin’ny Covid-19 ho an’ireo mpiasa ao aminy fa kosa tsy maintsy manaraka ny lamina ara-teknika sy ara-panjakana. Firenena maro tokoa ankehitriny no efa resy lahatra amin’ny fanaovam-baksiny araka ny vaksiny izay mety aminy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire