France : Maherin’ny 18 000 ny tranga vaovao hita tao anatin’ny 24 ora
Nahitana fiakarany izay mahatratra 18 181 ny tranga vaovao hita tao anatin’ny iray andro tany France raha ny toro navoakan’ny Fahasalamam-bahoaka any France ny Talata 20 jolay teo tao amin’ny Hexagone. Nilaza ihany koa ny tompon’andraikitra fa noho ny fisian’ny variant Delta no nahatonga ny fiakaran’isa tahaka izao. Miditra tanteraka ao anatin’ny andiany fahefatra amin’ny valan’aretina coronavirus i France hoy ny mpitondra tenin’ny governemanta, Gabriel Attal. Nisy fiakarany 2,6% izany raha 2,3% teo aloha hoy izy nanoloana ireo solombavambahoaka sy ny Minisitry ny fahasalamana. Tsy izay ihany fa niisa 33 ny maty tamin’io 24 ora io tany an-toerana ka 111 556 izany no lavon’ity aretina ity tao France hatramin’izay nisian’ny valan’aretina tany amin’ny firenena. Mitohy kosa ny fanaovam-baksiny izay tena anentanan’ny Ministeran’ny Fahasalamana tanteraka ny mba hanaovana izany.
