Tontolo iainana : Tsara raha samy mandray andraikitra amin’ny fambolen-kazo ny rehetra
Tontosa ny 19 janoary lasa teo tany Amparafana Mahanoro, Faritra Atsinanana ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2022. Mikendry ny hanatanteraka fambolen-kazo manerana ny faritra 23 eto Madagasikara ny fitondram-panjakana. Tsy afaka nanatrika izany hetsika izany ny filoham-pirenena noho ireo voina misy eto Andrenivohitra.
« Tanjona ny handrakofana ala an’i Madagasikara ho sitrahan’ny taranaka any aoriana. Takiana ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny rehetra toy ny mpiasam-panjakana, ny mpianatra sy ny mpampianatra, ny fikambanana maro samihafa sy ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena isan’ambaratongany » hoy ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Raharinirina Vahinala Baomiavotse. “Tena ilaina ny fambolen-kazo. Hiaraha-mizaka mantsy ny fiovan’ny toetr’andro. Tsara raha iaraha-manavotra ny tontolo iainana” hoy i Fideline, mpianatra mikasika ny tontolo iainana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. “Mila fanarenana i Madagasikara. Mijaly rano ny mponina Atsimo, dibo-drano ny eto Antananarivo. Andeha hiara-hientana hanavotra ny firenena” hoy i Vonjy, mponina ao Mahanoro. Mitaky ny fandraisana andraikitra avy amin’ny rehetra tokoa ny fanarenana ny tontolo iainana. “Fambolen-kazo, fanarenana ny loharano, antoky ny fiveloman’ny mponina” izay no lohahevitra ho an’ity taona ity.
Nicole Rafalimananjara
