Rakoto Frah : Mpitsoka sodina fanta-daza maneran-tany
Tsara ho fantatr’ireo taranaka aty aoriana fa nanana olomanga nalaza eran-tany i Madagasikara. Mpihira sy mpitsoka sodina fanta-daza i Rakoto Frah, nitondra avo ny vakodrazana malagasy tany ivelan’i Madagasikara tamin ny alalan’ny sodina izy.
Rabezaoza Philibert Rakoto na « Ingahirainy » na « Dadakoto » na « Rakoto Frah » dia teraka tao Ankadinandriana ny taona 1925 ary efa nodimandry ny septambra 2001. Zanaka mpiompy sy tantsaha izy ary teo amin’ny fahadimy taonany izy no nampianarin’ny raibeny sodina. Maty teo amin’ny faha 12 taonany ny ray aman-dreniny ka voatery niasa izy, niandry omby, nanampy olona, niompy, namboly no nataony.
Sodina vita tamin’ny zozoro sy plasika no nampiasainy tamin’ny vao nanomboka ary izy ihany no nanamboatra azy. Nampitolagaga an’ireo vahiny ny feo sy ny fahaizan’i Rakoto Frah sodina. Azo lazaina fa ambasadaoron’ny Vakodrazana malagasy izy noho ny fitondrany ny Hira Gasy tany amin’ny firenena maro ivelan’i Madagasikara toa an’i Japon, Chine, Etats-Unis…
Ny taona 1985 no nanangana ny Feo Gasy niaraka tamin’i Kalaza sy Telo Fangady ny tenany. Maherin’ny 700 ny Hira gasy noforoniny izay mbola tsy lefy laza. Nanohy ny sangan’asany rahateo ny taranany amin’ny alalan’ny tarika Rakoto Frah Junior.
Efa nipetraka tamin’ny vola 200 Ariary nampiasaina teto Madagasikara amin’ny taona 1983 ny sariny.
Hasina Rasamimanana
