Tsy miaraka ny familiana sy ny toaka
Tsy miaraka amin’ny familiana ny toaka satria mety hampidi-doza ny olona entina ka hiteraka lozam-pifamoivoizana. Tompon’andraikitra amin’ny olona entiny ny mpamily kanefa afaka mifananatra tsara izy ireo raha misy fitondran-tena tsy mety ao anaty fiara. Lahy tokana ny aina, hitondra ny olona any amin’izay alehany ny mpamily fa tsy sanatria hitondra ny olona any amin’ny loza toy ny niseho teny Bypass ny 12 Avrily lasa teo tamin’ny 07 ora hariva. Nitondra fianakaviana manamanjo izy ireo ary naka ity fiara ity hitondra ny razana any amin’ny fitoeranymandrakizay. Teny an-dalana hiverina no niseho ny loza. Nandeha mafy ny fiara sady nandray zava-pisotro mahamamo ny mpamily azy. Tsy tafajanona intsony ity farany raha nifanena tamina fiarabe iray. Mafy ary tena mafy ny dona ka nahafatesana ain’olona fito teo no eo ary fito no naratra raha ny roa maty teny an-dalana hihazo ny hôpitaly. Isan’ireo naratra ny mpamily ary nitsoaka kosa ny mpanampy azy saingy voasambotra ihany. Vantan’ny vao sitrana ny Talata 13 Avrily ilay mpamily dia notazomina avy hatrany tetsy amin’ny biraon’ny zandary Ambohimangakely. Anatra ho an’ny mpamily rehetra izao, esory lavitra eo am-pamiliana ny toaka, tsy tokony hisotro alikaola mihitsy rehefa mbola handray familiana mba hialana ny loza tahaka izao.
Nicole Rafalimananjara
