SocialTsidika

Manomboka liana amin’ny vaksiny indray ny Malagasy

Mbola tsy voafaritra hatreto ny fotoana hidiran’ny vaksiny eto Madagasikara. Azo antoka kosa anefa fa efa nanomboka tamin’ny fametrahana ny drafitra rehetra amin’ny fidirana amin’izany isika eto Madagasikara. Misy amin’ireo solotenan’ny Malagasy kosa anefa no efa nilaza fa efa nanao izany. Nanomboka tamin’ny fotoana nilazan’ny filoham-pirenena Andry Niriana Rajoelina ny mahakasika ny vaksiny no niteraka resabe teto amin’ny firenena ny fanaovana. Misy amin’ny Malagasy no nilaza fa tsy sahy amin’ny fanaovana izany, ary manambara ny maha-sarobidy ny fanjifana vita Malagasy. Tsiahivina fa misy moa ireo vokatra izay avy eto Madagasikara noentina nitsaboana ny mararin’ny coronavirus, ohatra amin’izany ny CVO, ny ED1. Tsy nahasakana antsika tsy hampiditra ny vaksiny anefa izany. Ny fanadihadihana nataon’ny transparency international no nahitana fa maro amin’ny vahoaka Malagasy no maniry ny hatao vaksiny. Ny 76% tamin’izy ireo no maniry ny hiditra amin’izany raha toa ka 50 taona no tena betsaka amin’izy ireo. Marihina anefa fa tsy mbola misy aloha ny fanerena amin’ny tsy maintsy hanaovana izany. Nandritran’ny fanadihadihana natao ihany koa no nahitana ny hevitry ny 92% fa tokony ho maimaimpoana ny fanaovana izany, ary tokony handray an-tanana amin’ny fanatanterahana izany ny governemanta sy ny mpiara-miombon’antoka. Nandritra io fandihadihana io no nanoloran’ny transparency International ny sosokevitra maromaro ho an’ny mpitondra. Navoitra tamin’izany ny tokony hisitrahan’ny daholobe ny vaovao farany sy ny torohay momba ny covid-19; eo ihany ko ny fizarana vaovao amin’ny fomba mazava sy mangarahara mikasika ny vaksiny nosafidiana. Ny hampiharana ny mangarahara sy ny fitantanam-bola hoenti-miady amin’ny covid-19, ny fampizorana araka ny tokony ho izy ny fampitaovana. Izy ireo izay samy iankinan’ny ain-dehiben’ny vahoaka Malagasy.

Fanilo Rarivoarilala 

Laisser un commentaire