Tsy mampandroso ny firenena ny kolikoly
Mariky ny fitiavana sy fanompoana ny Tanindrazana ny tsy fanaovana sy tsy fanekena ny kolikoly indrindra amin’ireo mpiasam-panjakana. Mila hampanjakana ny rariny sy ny hitsiny eto amin’ny firenena fa efa loatra izay tsy nandrosoana izay, mendrika fandrosoana i Madagasikara ankehitriny. Sahia mijoro sy miaro ny tanindrazana mba ho mariky ny fiandrianam-pirenena. Mendrika alain-tahaka ny tranga iray tany Nosy Be raha nanoloana ireo Comoriens mpanam-bola ny miaramila Malagasy ny Alatsinainy 05 Avrily lasa teo. Saika hiditra an-tsokosoko tao Nosy Be mantsy ireto Comoriens telo lahy kanefa tratran’ny Miaramila manao hetsika ZMPI (Zone Maritime Prioritaire d’Intervention) avy ao amin’ny tafika an-dranomasina. Tsy vao izao ny fahatratrarana sambo mpitondra olona avy any amin’ny tany hafa an-tsokosoko sy tsy ara-dalàna tahaka izao ary saika tratra foana rehefa manao fisafoana ny alina iny ny mpitandro filaminana. Nisandoka ho mpanjono aza izy telo lahy ireto saingy hita fa mpikambana ao amin’ny tambazotra fifindramonina an-tsokosoko na “reseau des clandestins” izy ireo. Ary fantatra nandritra izany ihany koa fa misy mpiray tsikombakomba amin’izy ireto ao Nosy Be. Niezaka nanambitamby sy saika hanao kolikoly ireto Comoriens ireto saingy soa ihany fa tsy mandray tsolotra ny Tafika Malagasy. Toetra mendrika sy tena azo alaina tahaka mihitsy ny toy izany, tsy amin’ny sehatra an-dranomasina ihany fa amin’ny sehatra misy rehetra manerana ny Nosy. Raha manohatra ny kolikoly avokoa mantsy isika dia tsy hisy intsony ny mpanao kolikoly izay tena manimba ny firenena tokoa ny fisian’izany. Takona ny marina, mahazo vahana ny ratsy ka lasa mikoroso fahana ny firenena ary tena ho tafiditra ao amin’ny lavakin’ny fahantrana raha manjaka ny kolikoly. Aoka hanjaka hatrany ny fahamarinana n’aiza n’aiza mba hirosoantsika amin’ny tsara hatrany.
Nicole Rafalimananjara
